Romans 9

1Milaza ny marina ao amin’i Kristy aho. Tsy mandainga aho, ary ny eritreritro no vavolombelona miaraka amiko ao amin’ny Fanahy Masina, 2fa ho ahy dia misy alahelo lehibe ary fahoriana tsy mitsahatra ato am-poko.

3Fa afaka naniry aho fa izaho tenako dia ho voaozona ka hiataka amin’i Kristy noho ny amin’ireo rahalahiko, ireo izay iray firazanana amiko araka ny nofo. 4Izy ireo dia Isiraelita. Izy ireo dia manana fananganana, ny voninahitra, ireo fankatoavana, ny fanomezan’ny lalàna, ny fiderana an’Andriamanitra, ary ireo fampanantenana. 5Ny azy ireo dia ireo razana izay nahatonga an’i Kristy ho tonga nofo, Izy izay Andriamanitra ambonin’ny rehetra. Ho deraina mandrakizay anie Izy. Amena.

6Fa tsy foana ireo izay nampanantenain’ Andriamanitra. Fa tsy izay rehetra avy any Isiraely no tena an’Isiraely. 7Na ireo taranak’i Abrahama rehetra no tena zanany. Fa: “Amin’ny alalan’Isaka no hiantsoana ireo taranakao.‘’

8Izany hoe, ireo zanaky ny nofo dia tsy zanak’ Andriamanitra. Fa ireo zanakin’ny fampanantenana no raisina ho taranaka. 9Fa toy izao no tenin’ny fampanantenana: “Amin’izany fotoana izany dia ho avy Aho, ary homena zazalahy Saraha.”

10Tsy izany ihany, fa avy eo koa Rebeka hanan’anaka amin’ny lehilahy iray, Isaka raintsika_ 11fa mbola tsy teraka akory ireo zaza ary mbola tsy nanao zavatra tsara na ratsy, mba ho toa ny tanjon’Andriamanitra araka ny fisafidianana, tsy noho ireo asa, fa noho Izy izay miantso_ 12nambara tamin’dravehivavy hoe: “Ny zokiny dia hanompo ny zandriny.” 13Izany dia tahaka izay voasoratra hoe: “Jakoba tiako, fa Esao halako.”

14Inona ary no ho lazaintsika? Misy tsy fahamarinana ve miaraka amin’Andriamanitra? 15Tsy hisy mihitsy anie izany. Fa hoy Izy tamin’i Mosesy hoe: “Hamindra fo amin’izay tiako hamindrana fo Aho, ary hangoraka ireo izay tiako hangorahana Aho.” 16Noho izany ary, dia tsy noho izy mikasa izany, na noho izy izay mihazakazaka, fa noho Andriamanitra, izay nampiseho ny famindram-po.

17Fa ny Soratra Masina nanambara tamin’i Farao hoe: “Fa noho izany antony izany no nanandratako anao, mba hanehoako aminao ny heriko, ary mba hanambarana ny anarako eran-tany.” 18Noho izany, Andriamanitra dia mamindra fo amin’izay tiany, ary izay tiany, no ho hamafisiny fo.

19Avy eo hilaza amiko ianareo hoe: “Nahoana no mbola mahita tsiny foana Izy?” Fa iza no mahatohitra ny sitrapony?” 20Mifanohitra amin’izany, ralehilahy, iza moa ianao no mamaly manohitra an’Andriamanitra? Moa izay efa novolavolaina hilaza amin’ny mpamolavola izany hoe: “Nahoana no nataonao tahaka izao aho?” 21Moa ny mpanefy vilany tsy manana zo amin’ny tanimanga ka ny vongana iray ihany no hanamboarana fitoerana amin’ny andro voatokana, ary fitoerana iray hafa amin’ny andavanandro?

22Ahoana raha Andriamanitra, izay te-ampiseho ny fahatezerany sy hampahafantatra ny fahefany, no niaritra tamim-paharetana ireo fitoeran’ny fahatezerana nomanina ho amin’ny fahasimbaina? 23Ahoana raha nataony izany mba hampahafantarany ny haren’ny voninahiny eo amin’ireo fitoeran’ny famindram-po, izay efa nomaniny mialoha ho amin’ny voninahitra? 24Ahoana raha nataony ho antsika koa izany, izay nantsoiny ihany koa, tsy ho eo amin’ny samy Jiosy ihany, fa ho eo amin’ny ireo Jentilisa ihany koa?

25Araka izay nolazainy tao amin’i Hosea ihany koa hoe: “Hantsoiko hoe oloko izay tsy oloko, ary hoe malalany ilay tsy malala. 26Avy eo dia any amin’izay nilazàna tamin’izy ireo hoe: ‘Tsy oloko ianareo,’ any no hiantsoana azy ireo hoe: ‘zanak’Andriamanitra velona.’”

27Isaia niantso mafy ny amin’ny Isiraely hoe: “Raha tahaka ny fasika eny amin’ny ranomasina ny isan’ny zanak’Isiraely, dia ho voavonjy izay sisa ambiny, 28fa ny Tompo hitondra ny teniny eto an-tany, feno ary tsy ho ela.” 29Araka ny nolazain’Isaia mialoha hoe: “Raha ny Tompo tompon’ny maro no tsy namela taranaka ho antsika, dia ho tahaka an’i Sodoma isika, ary ho lasa tahaka an’i Gomora.”

30Inona ary no holazaintsika? Fa ireo Jentilisa, izay tsy nitady ny fahamarinana, no nahazo ny fahamarinana, izay fahamarinana avy tamin’ny finoana. 31Fa Isiraely, izay nitady ny lalàn’ny fahamarinana, dia tsy tonga tamin’izany.

32Nahoana moa? Satria izy ireo tsy nitady izany tamin’ny finoana, fa tamin’ny asa. Tafintohin’ny vaton’ny fanafintohinana izy ireo, araka izay efa voasoratra hoe: “Jereo, ao Ziona no ametrahako ny vaton’ny fanafintohinana sy vatolampin’ny fandikan-dalàna. Izay mino izany dia tsy ho menatra.”

33

Copyright information for PltULB